Mikasika ny aretina coronavirus 2019, ny fahaizan'i Shina amin'ny fikarohana sy ny fampandrosoana dia afaka mandray anjara amin'ny fampandrosoana ny vaksiny sy fitsaboana manerantany, ary manampy amin'ny fanomezana ny valin'ny fikarohana sy ny fampandrosoana ho an'izay rehetra mila izany. Ny fanohanan'i Shina amin'ny fizarana traikefa, ny fampivoarana ireo fitaovana fitiliana ary ny fitaovana hifehezana ny valanaretina miaraka amin'ny firenena hafa dia tena ilaina mba hanampiana ireo firenena manana loharanon-karena ara-pahasalamana tsy ampy hiatrehana ny valanaretina coronavirus 2019.
Efa nandalo ny vanim-potoana voalohany nahitana tranga betsaka indrindra tamin'ny ady amin'ny valan'aretina i Shina. Ny fanamby ankehitriny dia ny fisorohana ny fiverenan'ny valan'aretina indray rehefa avy miasa sy miverina mianatra. Talohan'ny nipoiran'ny hery fiarovana vondrona, fitsaboana mahomby na vaksiny, dia mbola mandrahona antsika ny viriosy. Raha jerena ny ho avy, dia mbola ilaina ny mampihena ny mety ho voka-dratsin'ny aretina amin'ny mponina isan-karazany amin'ny alàlan'ny fepetra fisorohana isan'andro amin'ny toerana samihafa. Ankehitriny dia mbola tsy afaka mampihena ny fiambenantsika isika ary tsy miraharaha izany.
Raha mahatsiaro ny fitsidihako an'i Wuhan tamin'ny volana Janoary aho dia te-hanararaotra indray ity fotoana ity hanehoako ny fanajako ireo mpiasan'ny fahasalamana sy ireo mpiasan'ny fahasalamam-bahoaka izay sahirana eo amin'ny laharana voalohany manerana an'i Shina sy izao tontolo izao.
Hanohy hiara-hiasa akaiky amin'i Shina ny OMS, tsy vitan'ny hoe hiatrehana ny valan'aretina coronavirus 2019 ihany, fa hanohy ihany koa ny fanomezana vaksiny, hampihenana ny aretina mitaiza toy ny fiakaran'ny tosidrà sy diabeta, hanafoana ny tazomoka, hifehezana ny aretina mifindra toy ny tioberkilaozy sy hepatita, ary hanatsara ny fiaraha-miasa amin'ireo sehatra hafa laharam-pahamehana ara-pahasalamana toy ny fahasalaman'ny olona rehetra ary hanome fanohanana ho an'ny rehetra mba hananganana hoavy salama kokoa.
Fotoana fandefasana: 25 Jolay 2022